Tena fanonganam-panjakana ary hany tokana nisy teto Madagasikara hatramin’ny nisian’ny fitondrana repoblikana ny fiovan’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny volana Martsa 2009 no ho mankaty.
Abaribarin’ny lisitry ny fanonganam-panjakana nitranga maneran-tany nanomboka ny taona 1797 izany. Vao nohavaozina ny 26 aprily 2010 lasa teo io lisitra io ary azon’ny besinimaro atao tsara ny mijery izany ao anaty Aterineto (Internet). Tadiavo ao amin’ny «Google» ny andian-teny hoe «coup d’État» dia hipoitra izany. Safidio ny ao amin’ny «Wikipédia».
Miisa 125 ny fanonganam-panjakana mivantana nisy teto amin’izao  tontolo izao nanomboka ny taona 1797, araka io lisitra io. I Frantsa no  firenena nisehoana fanonganam-panjakana voalohany teto an-tany tamin’io  taona io. In’efatra nisesy ny toy izany tany hatramin’ny taona 1851,  taona nanomboka nanjakan’i Louis-Napoléon Bonaparte. Karazan’ny  mpanarak’efa i Meksika taty aoriana raha nanongana an’i Francisco Madero  i Victoriano Huerta tamin’ny taona 1913. Ary dia nihanaka ny aretina  avy eo. Ny tany Niger, izay vao niseho tamin’ny fiandohan’ity taona 2010  ity kosa no fanonganam-panjakana farany hatreto rehefa nanilika  an-keriny an’i Salou Djibo ny tafika notarihin’i Mamadou Tandja.
 Ny mialoha ny farany, izany hoe ny fanonganam-panjakana laharana  faha-124 maneran-tany, araka ilay lisitra ihany, dia ny teto amintsika  ny taona 2009 rehefa nisikim-ponitra niaraka tamin’ny ampaham-bahoaka sy  ny ampahana miaramila mitam-piadiana, ka nanao izay hanonganana an’i  Marc Ravalomanana, Filoha voafidim-bahoaka am-perinasa, ny Ben’ny  tanànan’Antananarivo tamin’izany, Andry Rajoelina.
 Raha ny taty Afrika indray dia miisa 77 hatramin’izao ny  fanonganam-panjakana niseho, araka ilay lisitra ihany. Tany Ejypta  tamin’ny taona 1952 ny voalohany. I Farouk I no lasibatr’i Mohammed  Naguib tamin’io. Voatsiahy tetsy aloha fa ny raharaha tany Niger no  fanonganam-panjakana farany nitranga teto an-tany sy taty Afrika ary dia  efa fantantsika ny teo alohany.
 Herisetra sy ny fanamparam-pahefana
 Tsy hita ao anatin’ny lisitr’ireo fanonganam-panjakana miisa 77  taty Afrika tato anatin’ny 60 taona latsaka kely ireo kosa ny  fanamarihana na filazana fa fanonganam-panjakana no hetsi-bahoaka teny  an-dalambe notarihin’i Marc Ravalomanana teto Madagasikara tamin’ny  taona 2002, izay Ben’ny tanànan’Antananarivo ihany koa mialoha izany. Ny  kabary natao tao amin’ny kianjan’ny demokrasia tao Ambohijatovo ny  Sabotsy 24 Janoary 2009 mantsy dia ny hoe : «Ny fahefana azo teny  an-dalambe dia tsy maintsy esorina eny an-dalambe». Dia izay no  nitondrana ny vahoaka nidina teo amin’ny kianjan’ny 13 Mey tao Analakely  nandritra ny roa volana teo.
 Raha ny manodidina ny taona 2002, dia ny tranga tany Niger ny taona  1999 sy ny tany Centrafrique sy Ginea-Bisao ny taona 2003 raha ny taty  Afrika, ary ny tany Fidji (Oseania) ny taona 2000, no zava-nitranga  akaiky indrindra voatondro ho fanonganam-panjakana teto an-tany fa tsy  ny teto Madagasikara velively tamin’izany fotoana izany.
 Izay indrindra no mahatonga ny olana ho saro-bahana ankehitriny.  Alentika ao an-tsain’ny maro ny fitovian’ny hetsi-bahoakan’ny taona 2002  sy ny raharaha zandriny 7 taona taty aoriany. Samy tolombahoaka  (révolution) izy roa ireo. Fijery samy manana ny azy tokoa izy ity. Ny  tena tolombahoaka marina tokoa mantsy dia tsy sokajian’ny mpandinika ny  raharaha politika maneran-tany ho toy ny fanonganam-panjakana na oviana  na oviana. Ny zava-misy iaraha-mahalala sy iaraha-mahatsapa anefa dia  saika ny firenen-drehetra no indray mitsipaka sy manameloka ny  fandraisam-pahefana nataon’i Andry Rajoelina ny volana Martsa 2009. Ny  ato anatiny ihany koa dia ampaham-bahoaka betsaka no mandà marindrano ny  fanesorana an-keriny ny Filoha am-perinasa Marc Ravalomanana.
 Porofo mitohoka amin’ny tenda ny fibosesehan’ny karazam-panoherana.  Tsy afaka miseho firy anefa ny mpomba ny Filoha nanaovana hetraketraka  noho ny basy sy ny ramatahora mihoapampana ary ny fafy lainga tsara  lahatra, izay zary lasa sakafo hanina sy rano sotroina ary rivotra  iainana isan’andro vaky eto amin’ny Nosy. Vao mainka anefa izany  manamafy fa fanonganam-panjakana marina no nisy teto. Sady tsy manana ny  fototra ara-dalana manaraka ny fenitra eken’izao tontolo izao no tsy  manana ny fototra ara-drariny, izay iorenan’ny fankatoavan’ny  olom-pirenena maro an’isa ny fahefana mijoro. Hany heriny ny fampiasana  herisetra sy ny fanaparam-pahefana miseho amin’ny endriny samihafa no  entiny manamarina ato anatiny ny fisiany, ary izy aloha izao no eo  amin’ny familiana, na iza manaiky na iza mitsipaka.
Source: www.tiatanindrazana.com, Association AJPA Madagascar
Source: www.tiatanindrazana.com, Association AJPA Madagascar
 
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire